Foaran’ny fambolena : mpanohana ny FIA andiany faha-5 ny MVola

Hanomboka anio 21 hatramin’ny 24 septambra ny foara iraisam-pirenena mikasika ny tontolon’ny fambolena. Fo­toana hihaonana mivantana amin’ireo seha-pihariana voakasika, ny mpandraharaha ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa. Roa taona misesy izao no hanohanan’ny MVola ny tetikasan’ny mpandraharaha sy ny mpisehatra samihafa. Mandroso vahaolana ara-bola mifanandrify amin’ny filana manokan’ny tsirairay amin’izy ireo.
Anisan’ny aroson’ny MVola mandritra ity foara iraisam-pirenena eny amin’ny Zone Forello ity ny tolotra MVola to Bank/Bank amin’ny zana-bolakely, 1%. Ahafahana mandefa vola avy amin’ny MVola mankany amin’ny banky, na koa ny mifamadika amin’izany. Eo koa ny tolotra M-Agri ho an’ireo mpandraharaha amin’ ny fambolena.
Azo arahi-maso
Azon’ny mpanjifa ampiasaina koa ny tolotra BtoB MVola, hanampiana amin’ny fitantanana ara-bola. Azo atao ny mandray vola, ampiasana ny teknolojia niomerika amin’ ny internety, ny API MVola sy ny Simple Pay. Ho an’ny ma­moaka vola, handoavana ny karaman’ny mpiasa, ny faktiora samihafa, amin’ny finday, na koa ny karatra Visa MVola. Manampy ireo ny findramam-bola hatramin’ny 1 tapitrisa Ar. Azo arahi-maso amin’ny Self­care MVola ny fifanakalozam-bola natao rehetra.
Nilaza ny talen’ny fiaraha-miombon’antoka, Ericka Verly, fa « tsapan’ny orinasa MVola tsara ny fanamby miandry ny mpamboly sy ny mpandra­haraha amin’ity sehatra ity. Mahafaly anay anefa ny mandroso vahaolana amin’izany».

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: