Nanomboka omaly ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana manerana ny faritra 23, etsy Mahamasina. Hitohy anio izany ho fanehoana firaisankina sy fiaraha-mientana eo amin’ireo mpisehatra. Izy ireo no mampihodina ny sehatry ny fahasalamana any amin’ireo tobim-pahasalamana manerana an’i Madagasikara.
Manamarika ny faha-40 taona niorenany ny fakiolten’ny Siantsa sy ny teknolojia ary ny tontolo iainana (FSTE), ao Mahajanga. Nahazo ny fankatoavana ihany koa ny sampam-piofanana farmasia sy ny fitsaboana biby. Notolorana fankasitrahana ireo mpampianatra nahavita be tamin’ny andraikiny.
Manana rafitra miisa 57 742 ny sendikàn’ny mpanabe eto Madagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny sendikà. Ambara hoe rafitra ny faritany, ny faritra, ny Cisco sy ny Dren ary ny Zap sy ny sekoly isanisany. Ahitana rafitra roa avy ny 24 000 sekoly mpikambana ao aminy.
Somary hangatsiatsiaka ny andro, indrindra ny amin’ny ilany atsinanan’ny afovoantany ato anatin’ny telo andro ho avy. Foana ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alondrano ho an’ireo faritra izay naharay izany fa mila malina hatrany kosa ny mpampiasa ranomasina.