Aiza isika no tsy hilamina eo !? Izao tokoa ilay isavorovoroan-kilantoana. Manao rano lava amin’izay ny fanambarana fanohanana ny kandidà izatsy na izaroa. Nangina vetivety ny ady saritaka teo amin’ny kandidà hoe hanao sy tsy hanao. Milamindamina ny raharaha politika, omaly. Efa nivadi-dela ny ankamaroan’ny komity mpanohana. Zary nifaninanana indray aza ny fisehosehoana fa miaraka amin’ny ranona na ranona.
Taratry ny toe-tsaina malagasy tia filaminana izany amin’ ny ankapobeny. Tia mifamolaka sy mifamilafila…ilay fatra-panao tsia kanefa ilay mpandala ny eny amin’ny farany. Toetra izay hafahafa toa tsy misy etika, saingy misy mahatsara azy. Indrindra fa voasaringotra hodidina maro ilay manontolon’ny politika. Misy singa tsy azo tsinontsinoavina ka mahatonga ny fandeferana tsy maintsy atao lohalaharana.
Raha atao indray mijery, mampiseho ny fahatongavan-tsainy Ramalagasy. Mila mametraka ny hoaviny sy ny tenany ho vaindohan-draharaha sy lohalaharana. Efa tsy manaraka an-jambany sy mihinana am-bolony intsony izay lazain’ ny mpanao politika. Hita taratra eny anivon’ny fiarahamonina ilay fitia te hivoatra,tsy miankina amin’ny fampanantenana zary fampiesonan’ireo dinozoro politika.
Miara-mirona any amin’ny fifidianana ny Malagasy tsivakivolo, ankehitriny. Efa mafotaka ny fampielezan-kevitra savaranonando. Ny manam-bola sy ny tsara homana, ireny iaraha-mahita eny an-kianja ireny. Mahavita mitety faritra mihitsy sy mamory vahoaka. Misy indray ny sokajy milamindamina, tsy re-tsaika fa any ambadimbadika any no miketrika. Ny sasany, tahaka ny kandidà laharana fahatelo amin’ny biletà tokana, mametraka ny andraikitra eo an-tsoroky ny mpanohana azy eto an-toerana. Samy manana ny paikadiny !
r.r