« Savaravina am-pamoloana 2.0”. Tanterahina eny amin’ny IKM Antsahavola, ny sabotsy 23 septambra 2023 tolakandro, ny “Savaravina am-pamoloana”. Mpikabary, mpanoratra ary mpandala ny maha Malagasy no hasaina handray anjara amin’izany. Mahakasika ny fomba hanatanterahana ny fanabeazan’ ny Ntaolo ankehitriny no hodinihina mandritra izany.
“Beat Box Battle Madagascar”. Tontosaina eny amin’ny CGM Analakely, ny alahady 24 septambra 2024, ny dingana famaranana ny “Beat Box Battle Madagascar”. Miisa 20, mizara ho sokajy telo ireo mpifaninana. Valo ho an’ny sokajy olon-tokana, efatra ho an’ny sokajy “Tagteam”, ary sokajy “Improv Battle” ny ambiny.
“Art&Biodiversité”. Hiranty eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny 29 septambra 2023 hatramin’ny 7 oktobra 2023, ny sary maneho ny hakanton’ny zava-boahary, notontosain’i Vony Ranala sy Hoby Andria ary ny «Origins». Fanentanana sy fampahafatarana ny zava-misy iainan’ny biby sy ny zava-maniry no tanjon’ny hetsika.
« La Complexité de la nature humaine ». Mitohy hatrany ny rantin-tsary tanterahin’i Ranto Rambeloson, mpaka sary matihanina. “La Complexité de la nature humaine” no lohahevitry ny ranty ary sary maneho sy manohana izany lohahevitra izany no hita eny amin’ny Radisson Blu Water Front, hatramin’ny 30 septambra 2023.