Hotanterahina eny amin’ny Alliance Française Antananarivo (AFT) Andavamamba, ny 28 septambra 2023 hatramin’ny 30 septrambra 2023, ny hetsika « Du jardin à la table ». Hetsika natao hanasongadinana ny vokatry ny tany sy ny tanora mpandraharaha ary ny haify avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Ankoatra ireo, hisy ihany koa ny atrikasa sy fizarana traikefa ary fahaiza-manao eo amin’ny mpandray anjara, indrindra ny eo amin’ny sehatry ny haify. Tanjon’ny mpikarakara ny hanasongadina ny Malagasy, indrindra fahaiza-manaony eo amin’ireo sehatra ireo.
Hifampitaona eny amin’ny AFT Andavamamba ny fianakaviamben’ny mpankafy ny tontolon’ny nahandro sy ny haify ary ny zaridaina sy fambolena. Manodidina ny 50 isa ny fitambaran’ny mpandray anjaran’ny hetsika. Raha tsiahivina, ny « Salon de la Gastronomie » sy ny « Festival du Jardin » no natambatra tao anatin’ity hetsika « Du Jardin à la table » ity. Ho hita ao koa ny velakevitra iarahana amin’ny matihanina amin’ireo sehatra ireo sy ny tafatafa amin’ny rehetra.
Lin