Hanao fanambarana ireo depiote, olobe, fikambanana mpanohana ny kandidà Rajoelina Andry, anio. Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato izany. Tombanana fa anisan’ny hiompanan’ny fanambarana ny ho firosoana amin’ny fifidianana. Eo koa ny mety hitsikerana ireo kandidà 11, sy ireo mpanara-dia azy nanao fanambarana sy ny “Angaredona” tato ho ato.
Hanao fihaonambe ny TGV, Antananarivo II, rahampitso eny amin’ny kianjan’Ankatso. Ankoatra ny fanehoan-kevitra politika, eo koa ny nofon-kena mitam-pihavanana. Efa misy ny fandaminana samihafa eny anivon’ny fokotany, araka ny nambaran’ireo mpikarakara izany. Hisy ny tapakila ahafahana misitraka izany ho an’ireo ho avy eny an-toerana.
Tafapetraka omaly ny filohan’ny Fitsarana momba ny vola eto Antananarivo; Randrianantenaina Solofotiana sy ny mpampanoa lalàna ho an’ny vola, Rajaona Andriamihaja. Andraikitr’izy ireo ny mitsara sy ny manara-maso ary ny manome hevitra. Hiompana kokoa amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny asan’izy ireo.
Miroso hatrany ny tetikasa Miami ao Toamasina. Tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana jiro amin’ny toerana rehetra amin’izany faritra izany. Nambaran’ny tomponandraikitra fa tanjona ny hanazava ny tanàna. Eo koa anefa ny hanatsara ny toerana ary koa mba hisian’ny fandriampahalemana sy afahan’ny rehetra miala voly amin’ny hariva sy ny alina.