Indray mijery

Olona 240 no hisitraka ny fandidiana maso maimaimpoana karakarain’ireo dokotera avy any ivelany. Efa notiliana mialoha tao amin’ny hopitaly HJRA ireo olona ireo ka isahana ny fandidiana sisa ireo vahiny, dokotera. Mbola mitohy ny fitiliana ao amin’ny sampandraharaha Ophtalmologie HJRA.

Stephanie Arnold indray no mpanolotsaina vaovao voalohan’ny masoivoho amerikanina miasa eto Madagasikara. Manampy ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, amin’ny fitarihana ny ekipany izy. Misolontena ny masoivoho ihany koa raha misy tsy fahafahany.

Tao aorian’ny fisokafan’ny CFP Girl Ignite Sava Academy, nanaraka fiofanana momba ny fikarakarana ny lavanila ireo valo mianadahy mandrafitra ny andiany voalohany. Naharitra sivy volana ny fiofanana ary tanjona ny hahafan’ireo tanora misitraka ny fiofanana rehetra ilaina amin’ny fikarakarana ny lavanila.

Misitraka fitaovam-pianarana, ahitana kapa, kahie ary penina, ny sekoly miisa 175 mitsinjara amin’ny ZAP 22 ao amin’ny Cisco Antananarivo Avaradrano nanomboka ny talata lasa teo. Ny sekoly ambaratonga fototra tao amin’ny ZAP Atsinanantsena no nisantatra izany.

Partager sur: