Mitombo ireo olona misehatra amin’ny fiompiana lalitra mainty raha ny eto Madagasikara. Ny fahitana ireo karazana proteina sy lipida amin’ny tahany ambony no mandrisika azy ireo hanao izany.
Efa manomboka fantatry ny olona ny fiompiana bibikely antsoina hoe lalitra mainty. Black solder fly (BSF) ny fiantso azy amin’ny fiteny anglisy. Mouche soldat noir (MSN) kosa amin’ny fiteny frantsay. Avy any Amerika Atsimo ny toerana niaviany. Ahitana mpiompy azy io ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Toy ny any Antsohihy, Maevatanana, Andapa, Ihosy, Itasy, Arivonimamo, Ankazobe, Ambatolampy sy ny maro hafa. Miavaka ny fiompiana ity lalitra ity satria ahitana 45% ny tahan’ny proteina ao anatiny. 35 % ny tahan’ny lipida ary ahitana rano ny 10% ambiny. Tsy ahitana tahana glucide kosa ao anatiny, raha ny fanazavana. “Azo atao sakafom-biby sy sakafon’olombelona tsara izany noho ireo karazana otrikaina entiny ireo”, hoy ny tompon’ny orinasa BSF Marovatana etsy Ambohidratrimo, Radifera Ranaivoson Maminirina, raha nanontaniana.
Mbola vitsy mpanjifa eto Madagasikara
Mahavaha ny olan’ny sakafom-biby ny fiompiana BSF, raha ny fijoroana vavolombelona nataon-dRadifera Ranaivoson Maminirina. Mahasolo ny 50%-n’ny sakafon’ny biby fiompy ny fiompiana azy io. Niompy trondro karpa izy, tsy nofahanana afa-tsy BSF sy anana ary salady. Nanome sakafo ao anatin’ny 2 andro. Mijanona tsy manome kely amin’ny andro fahatelo, ary toy izany hatrany. Mahita trondro karpa eo amin’ny 400g eo ny iray rehefa tapitra ny telo volana. Mbola andrana no natao tao anatin’izay fotoana izay ary eo am-pahafantarana ny tahan’ny proteina ao anatiny izy ireo. Azo atao sakafon’ny olombelona koa izy io, ny any ivelany efa manao izany. Mbola vitsy ny mihinana azy io eto Madagasikara. “Mila folahina ny toe-tsain’ny Malagasy raha hihinana azy satria tsara sy ilain’ny vatan’olombelona izany”, hoy hatrany izy.
Mihinana sakafo avy amin’ireo karazana fako organika
Mila olona matotra ny mikarakara ny lalitra mainty mandritra ny fotoana iompiana azy. Mba tsy hamitaka ny mpanjifa. Raha natokana hatao sakafon’olona ny olitra iray. Tsy tokony homena ireo sakafo azo avy amin’ny biby fa omena fakom-boakazo sy karazana legioma.
Ahazoana olitra 200 kg ny atody 40g
Maharitra 18 andro ny tsingerim-piainan’ny BSF iray. Tapa-bolana eo ny faharetan’ny tsingerim-piainan’ny lalitra mainty. 4 andro no foy ny atodin-dalitra iray. 18 andro manaraka eo indray, tonga eo amin’ilay « stade larvaire » na ahatongavany ho olitra. Aorian’io fotoana io, efa manomboka mihinan-tena kosa izy avy eo ary manomboka mivadika ho lalitra indray. Ahazoana olitra 4 kg, raha kely indrindra, ny atody 1g, afaka tapa-bolana. Mahatratra hatramin’ny 9 kg eo izany raha manaraka ny fepetra namelomana ny atody. Manome soherina 40 kg ny atody 10 g. Mahita eo amin’ny 200 kg eo ny soherina azo avy amin’ny atody 40 g. Azo ompiana manerana an’i Madagasikara, indrindra ny tany mafana ny BSF, amin’ny ankapobeny. Tsy mbola nisedra aretina ny fiompiana hatramin’izay niompian’izy ireo izay. Mihinana ireo karazana fako organika rehetra izy ireo. Ialana ny sakafo be tongolo fa miteraka fanapoizinana ao anatiny ka mety hahafaty azy.
Ialana ny toe-tsaina saro-drikoriko, mitaky fitiavana sy finiavana hanatanteraka ny fiompiana ny BSF amin’ny ankapobeny. Mila loharanona fako organika foana mba hamahanana azy. Mampihena ny fako organika miparitaka manerana ny toerana maro ny fanaovan’ny tokantrano tsirairay avy ny fiompiana, raha ny fanazavana hatrany.
Nanatontosa : Mino
Sary : Mamiherison