Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo lehilahy roa saika handefa an-tsokosoko vehivavy dimy hiasa any amin’ny tany Arabo. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra izy roa lahy ireto niaraka tamin’ireo tovovavy saika halefa hihazo ho any amin’ny tany Arabo. Nanatitra ireo vehivavy dimy hiasa an-trano any amin’ny tany Arabo izy ireo ka tratran’ny polisy miasa eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsikaritra teo am-pisavana, fa tsy nisy «billet retour» na tapakila hahafahana miverina eto Madagasikara ny tovovavy iray. 23 taona ny zandriny indrindra raha 31 taona ny zokiny. Fantatra teo am-pisavana fa nikasa hiondrana tamin’ny sidina mankany Dubaï izy ireo. Voasakana teo amin’ny efitra fisavana ny mpandeha, araka izany, izy ireo ka tsy afaka niondrana tamin’ny sidina hihazo an’i Dubaï. Nosamborina avy hatrany ireo roa lahy niaraka tamin’izy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina. Rehefa natao ny fanadihadiana, fantatra fa saika halefa any amin’ny tany Arabo ireto tovovavy ireto. Fantatra tao anaty famotorana savaranonando fa ao Dubaï izy ireo no misy mitsena. Ao indray no alefa mihazo an’i Oman, Koweït na Arabie Saoudite, arakaraka ny mpampiasa azy ireo. Vola 5 000 000 Ar isan’olona no alain’izy roa lahy tamin’ireto vehivavy ireto, raha ny fanazavana tao amin’ny famotorana. Avy any amin’ny faritra avaratry ny Nosy ireo vehivavy. Voalaza fa 20 no niaraka nalaina avy any, nampiantranoana teto an-drenivohitra.
Jean Claude