Paositra malagasy: miverina ny fiaraha-miasa amin’ny Groupe La Poste

Vita sonia ny fiaraha-miasan’ny Paositra malagasy sy ny EMS Madagascar ary ny Colissimo France, Groupe la Poste rehefa niato nandritra ny 32 taona. Natao teny amin’ny biraon’ny paositra etsy Antaninarenina, omaly, ny hetsika izay na­trehan’ny tomponandraikitra avy amin’ny Paositra malagasy sy ny Groupe La Poste France. Vokatry ny fifampiraharahana natao nandritra ny taona maro izao fiaraha-miasa izao. « Resy lahatra amin’ny kalitaon’ny tolotra omen’ny Paositra malagasy ny Groupe La Poste ka namerina indray ny fitokisana azy », hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Paositra malagasy, Ranarison Richard. Anisan’ny manana tolotra tsara kalitao sy azo antoka manerana izao tontolo izao ny Paositra malagasy. Antony nahatonga ny Groupe La Poste nampiandraikitra indray ny fandefasan’entany amin’izy ireo. Ankoatra izay, nahazo fankatoavana avy amin’ny fadintseranana ny Paositra malagasy haka ny entan’ireo mpanjifa any an-tranony ka hanatitra izany any amin’ny toerana voatondro handefasana azy. Tanjona ny fanamorana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa ary hampidi-bola ho an’ny kitapom-bolam-panjakana.

Henintsoa H.

Partager sur: