Saika hanao pasipaoro : olona fito tratra nampiasa taratasy hosoka

Tohivakana ireo tambajotrana mpisoloky sy mpanao hosoka amin’ny alalan’ny antontan-taratasy hanaovana pasipaoro sy taratasim-panjakana. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny surveillance du territoire ny lehilahy iray nampiasa karapanondro hosoka. Nilaza ity voarohirohy ity fa hoe hampiasainy
amin’ny resaka varotra sy taratasy any amin’ny banky ireo karapanondro hosoka ireo. Vela-pandrika nataon’ny polisy no nahafahana nisambotra azy. Efa maro ireo olona mitaraina noho ny hosoka avolenta ataon’ity jiolahy ity eto an-dreni­vohitra.
Olona fito ihany koa no tratran’ny polisy misahana ny fanadihadiana manokana nampiasa fanamarinam-ponenana sandoka sy taratasin’asa sandoka. Tao amin’ny sampandraharaha misahana ny pasipaoro no nahatrarana azy ireo nandritra ny fitsirihana ireo antontan-taratasy hikarakarana pasipaoro. Nikasa hiala eto Madagasikara izy ireo raha ny famotorana nataon’ny polisy. Nanamafy hatrany ny polisy fa hentitra hatrany amin’ny fisavana ny antontan-taratasin’ireo olona hanao pasipaoro.

J.C

Partager sur: