Saka beloha

 

Miova isan’andro ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Manaraka ny sitrapon’ny mpilalao sy ireo milaza ho matihanina anatin’izany. Jereo izato fivondronan’ny kandidà. Mivoaka miditra toa lelon-jaza. Ny tena mahasadaikatra dia ny fomba fiadin’izy ireo toa tsy mifanaraka amin’ny tombontsoa andrasan’ny vahoaka.
Raha ny angom-baovao natao, misy ny fitiavana te hiady ny lohany anatin’ny vondrona. Misy ny mitompo teny fantatra fa hany kandidà mahafeno fepetra, handresy ny filoha teo aloha vao nametra-pialana. Misy ny mitsipaka izany satria milaza fa manana ny ampy ara-bola sy ara-pitaovana ary ny isan’olona mpanaradia. Tsy mahagaga raha mihenahena eo ny rehetra !
Amin’ny ankapobeny, hita fa mivarotra saka beloha amin’ny vahoaka ny kandidà rehetra, indrindra ireto misary mivondrona ireto. Ny ady sisika atao etsy sy eroa, ny fikafika amin’ny fampielezan-kevitra miroso ihany. Aiza vao mi­vaha ny olana iray, izay tsy nahametimety azy ireo, dia man­droso tsimoramora. Mariky ny fitiavan-tena daholo izany.
Tsy misy mijery ny olana teknika sy ny fikarakarana ary ny mety ho fanodinana ny safidim-bahoaka. Mihano­na amin’ny fitadiavana fomba ahafahana manao izay tiana hahatongavana. Tsy misy miahiahy intsony ny resaka hosoka amin’ny karapanondro, ohatra. Torak’izany ny resaka anarana miverimberina, na efa niaiky aza ny Ceni fa tsy misy ny tonga lafatra.
Inona ny ady sisika manahirana ny kandidà amin’izao ? Ny helikopterany tsy mbola tafiditra, ny volan’ny fampielezan-keviny mbola mihitsoka, izy ireo tsy mbola afaka miakatra amin’ny haino aman-jery miankina amin’ny fanjakana. Mazava sahady ny an’izay olona ho lany amin’ny fifidianana fa tsy maintsy ny tenany aloha. Koa asakasaky ny mpifidy, mbola hanaiky hivarotan’ny olona saka beloha eo.

r.r

Partager sur: