Tontosa teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, omaly, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny « Slam nationale » andiany faha-14.
Hetsika « Slam Poèsie », lehibe indrindra eto Madagasikara, tanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023 eto Antananarivo izy ity. Ho an’ny fifaninanana nasionaly, miisa 20 ny mpandray anjara. Izy ireo izay misolo tena ny tanànan’Antananarivo, Mahajanga, Toamasina, Antsiranana, Fianarantsoa, Antsirabe, Sambava, Antalaha, Toliara ary Tolagnaro. Hetsika maro no handravaka ny “Slam nationale 14”, ankoatra ny fifaninanana nasionaly hamaritana izay ho solontenan’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany atao any Paris, Frantsa ny taona 2024.
Ambohipihaonan’ny mpankafy Slam Malagasy, araka izany, ny eto Antananarivo, ao anatin’ny “Slam nationale 14”. Hisy dingana roa ny fifaninanana, raha ny mahakasika ny fifaninana nasionaly no asiana teny. Ny talata 26 septambra no hanaovana ny fiodinana voalohany ary ny 28 septambra kosa ny dingana faharoa, samy eny amin’ny CGM avokoa. Ny IFM Analakely kosa no hampiantrano ny famaranana, ny 30 septambra 2023. Mampiavaka ity andiany ity ny fanomezan-danja ny vehivavy amin’ireo hetsika rehetra atao.
Manodidina izay, handravaka ny “Slam nationale 14” ankoatra ny fifaninanana nasionaly ny “Slam à l’U”, “Slam media”, “Slam partout”. Hisy ihany koa ny atrikasa maro samihafa, ho an’ny rehetra, iarahana amin’i Na Hassi sy i Hoby ary i Nicolas Séguy, vahinin’ity andiany faha-14 ity. Hitafa an-jotra amin’i Marc Smith, namorona ny “Slam”, ihany koa ireo mpifaninana.
Lin