Karate. Hotanterahina rahampitso 23 sy ny alahady 24 septambra izao ny fifaninanana « Challengea du Betsileo » andiany faharoa, taranja karate. Ao amin’ ny kianja mitafon’Ambatomena Fianarantsoa no hanaovana ity fifaninanana ity, karakarain’ny ligin’ny karate-do Matsiatra Ambony, eo ambany fiahian’ny federasiona karate-do malagasy (FKM).
Kick-Boxing. Raikitra ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany an’ity taranja ity, hatao any Portugal, ny 17 hatramin’ny 26 novambra 2023. Misokatra ny fisoratana anarana ary manana faniriana ny handefa solontena amin’ity fifaninanana goavana ity ny federasiona malagasin’ny taranja Kick-Boxing. Hampita miandalana ny vaovao mahakasika izany izy ireo.
Nijanona eo amin’ny faha-108 ny laharan’ny Barea de Madagascar, eo anivon’ny FIFA. Ny volana jona lasa teo, teo amin’ny laharana faha-107 ny ekipam-pirenena malagasy. Marihina fa hatramin’ny nitondran-dRakotondrabe Romuald Felix ny Barea, nahazo vokatra tsara hatrany ity ekipa nasionaly Malagasy ity.
Mbola maro ireo seksiona sy ligy tsy nahavita fifidianana eto Madagasikara, ho an’ny taranja Rugby. Araka izany, ny zoma 29 septambra ho avy izao, hisy ny fanazavana mahakasika izany, eny Andohatapenaka. Marihina fa ny ligin’Analamanga, tsy manana filoha hatramin’izao.