TARANJA Atletisma : mety hihemotra ny “Mada jeunes” sy ny «Marathon»

Taorian’ny fahavitan’ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, fifaninanam-pirenena eo amin’ny sokajy zandriny “Mada jeunes” sy ny “Marathon” sisa ny fandaharam-potoana tsy tontosa ho an’ny Federasiona malagasin’ny atletisma (FMA), ary mamarana ny taom-pilalaovana 2023.
Noho ny fahateren’ny fotoana sy ny ho fisian’ny fifidianana ho filoham-pirenena eto Mada­gasikara, mety tsy hisy izany ka hahemotra amin’ny fotoana manaraka. Hatramin’izao, tsy mbola misy daty voatondro hanatontosana ireo fifaninanana ireo. Raha ny voalahatra, tokony ho notanterahina ta­min’ity volana septambra ity ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ireo zandry ary ny fiandohan’ny oktobra ny an’ny hazakazaka lavitr’ezaka.
Araka izany, mety ho amin’ny taona 2024 vao hotanterahina ireo fifaninanam-pirenena roa ireo. Na izany aza, hanakatonana ity taona ity ny fivoriambe fanao isan-taona hanaovan’ny komity mpitantana ireo tatitra isan-tokony, toy ny teknika sy ny ara-bola ary ny moraly.

Tompondaka

Partager sur: