TSELATRA

Hatolotra ny fampanoavana ireo olona enina voasambotra noho ny raharaha vonoan’olona tao amina alim-pandihizana tamina famadihana iray tao Antsirabe. Ny 19 septambra alina no nisian’ity fety niaraka tamin’ny ady saritaka ity. Tovolahy iray 27 taona namoy ny ainy raha naratra mafy kosa ny tovolahy iray hafa.

Naiditra am-ponja eny Antanimora ireo telo lahy tratra nitondra voamboana 116 niaraka tamina hazo ala 84 tsy nisy taratasy. Teo amin’ny sakana nataon’ny zandary Ambatolaona Manjakandriana no tratra ireto olona ireto. Nampiasa fiara telo izy ireo nitondrana ireo hazo ireo.

Torana tampoka tao anaty taxi-be ny renim-pianakaviana iray voaendaky ny jiolahy teny Isotry, omaly. Tao anaty fitohanan’ny fiara izy no variana nilalao finday. Notsoriahan’ireo jiolahy tamin’ny sisim-baravarankely anefa ilay finday avolenta.

Raim-pianakaviana iray naratra voatsatok’antsy teo amin’ny takibany, teny Anosipatrana, afakomaly hariva. Nendahin’ny jiolahy izy ka very tamin’izany ny fitoeram-bolany niaraka tamin’ny finday. Mipetraka eo Anosipatrana ihany izy ka teo am-pialana ny taxi-be no nandrasan’ireo jiolahy.

Partager sur: