Ampahibato – Alasora : jiolahy roa lavon’ny zandary, basy roa tratra

Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Fia­danana teny Amboniandre­fana, fokontany Ampahibato, kaominina Alasora, ny alarobia alina teo ireo jiolahy roa. Teo am-piomankomanana hanao fanafihana ireo jiolahy no nifanehatra tamin’ny zandary. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha rahateo ny zandary momba ny fisian’ireto jiolahy mikasa hanao fanafi­hana mitam-piadiana ireto. Nametraka ny paikady rehetra ahafahana misambotra azy ny zandary. Nihainohaino teo ambodifasana ireo jiolahy no tonga tampoka ny mpitandro filaminana. Raikitra ny fifampitifirana, saingy tsy naharesy tosika ireo zandary. Vokany, maty voatifitra ny roa lahy raha tafatsoaka ny roa hafa. Hita teny an-tananan’izy ireo ny basy poleta MAC sy Revolver vita tanana, samy mifahana bala avokoa. Tsy nisy naratra ireo zandary nifandona tamin’ ireto jiolahy ireto. Naterina any amin’ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA ireo olon-dratsy lavo. Mitohy kosa ny fikaro­hana ireo tafaporitsaka. Noha­mafisin’ny zandary fa jiolahy raindahiny mpanao fanafihana eto an-drenivohitra ry zalahy ireto. Maro ny trangana fanafihana vitan’izy ireo.

J.C

Partager sur: