« Beatbox Battle Madagascar » : hampiavaka ity andiany ity ny “Improv’Battle”

Hotanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ny Cer­cle Germano-Malagasy (CGM) Analakely, ny dingana famaranana amin’ny fifaninanana «Beatbox Battle Madagascar» andiany fahadimy. Sokajy telo no hifaninanana mandritra izany : «Tag team» sy «Solo» ary «Improv Battle». Mitotaly 12 no isan’ny mpifaninana, ankoatra ny amin’ny “Im­prov’Battle”. Hampiavaka ny hetsika ny fihaonana an-tsehatra eo amin’ireo tompondaka nifandimby.

Ambohipihaonan’ny fianakaviamben’ny “Beatbox” Ma­lagasy indray ny eny amin’ny CGM Analakely, rahampitso. Hampiavaka ity andiany ity ny “Improv’Battle”, izany hoe, tsy misy fiomanana ireo mpandray anjara fa avy hatrany dia manao izay asaina ampanaovina azy ireo eo. Ankoatra izay, handravaka ny seho rahampitso ny fifanandrinana eo amin’i Moignon Kitcher, tompondaka 2018 sy Andry O’Connell, tompondaka 2019. Eo ihany koa ny an’i Leo Tsaralaza, tompondaka 2020 sy Ny Kiady, tompondaka “Tag team” 2020 sy 2022. Maro ihany koa anefa ireo talenta vaovao, izay manana ny lentany, tafiditra ao anatin’ ny hotsarain’ireo mpitsara rahampitso.
Do Be, tompondaka ma­neran-tany, “Sokajy Vocal Scratch”, miaraka amin’i Alem, tompondaka maneran-tany, taona 2015, ary i Madox, Allemand mpiangaly “Beat­box” no hitsara ny fifanina­nana.

Lin

Partager sur: