Caravane humanitaire – Ampanihy : fianakaviana 500 nizarana sakafo

Nahazo rotsakorana ihany ny faritra Atsimo Andrefan’ i Madagasikara nandritra ny rivodoza Freddy, saingy na­mely ny nofontany ny hafanana be ka tsy araka ny tombana noeritreretina ny vokatra. Ny fambolena vomanga no nahomby tany an-toerana. Amin’izao fotoana izao, mihamafy ny hafanana ka mety hisy fiantraikany amin’ny se­ha-piharian’ny mponina in­dray. Noho ny fahatsapana iza­ny no nahatonga ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza BNGRC, nampiditra ny faritra Atsimo Andrefana ao anatin’ny “caravane humanitaire” ho fanarenana ara-tsakafo ny mponina, ahafahany manao ny asany andavanandro.
Kaominina 12, anatin’ny distrika telo, ahiana ho sahirana no nojerena manokana : Toliary II sy Betioky ary Am­panihy. Milanja 116 550 kg ny fanampiana natokana ho an’ireo kaominina telo ireo. Ho an’Ampanihy manokana, fianakaviana 500 ao anatin’ny kaominina roa : Beahi­tse sy Ejeda no efa nahazo ny anjarany. Vary 25kg sy voamaina 10kg ary menaka 2 litatra isan-tokantrano no notsinjaraina.
Nisitraka ny tohana entin’ny caravane humanitaire koa ny faritra Anosy sy Vatovavy ho an’ny tapany voalohany. Mahatratra 48 ireo kaominina anatin’ny distrika valo mahazo tombontsoa. Mahatratra 490 t ny sakafo ho an’ireo faritra telo, hozaraina anatin’ny 10 andro mahery eo ho eo. Avy any Arabie Saoudite ireo entana notsinjaraina ireo.

Vonjy A.

Partager sur: