Talen-tsekoly miisa 2 742 no hisitraka smartphone na finday avo lenta noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Banky iraisam-pirenena amin’ny alalan’ilay tetikasa fanohanana ny fanabeazana fototra (PAEB).
Mitotaly 4 600 ireo talen-tsekoly nahavita fiofanana niaraka tamin’ireo ekipa avy amin’ny foibem-pitondrana misahana ny tantsoroka an-tsekoly sy ny fitsirihana ara-pedagojia (DESIP), saingy ny 2 742 ihany no hisitraka izany aloha amin’ny andiany voalohany, raha ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
Efa hatramin’ny taona 2018 ny tetikasa fanofanana ny talen-tsekoly ho matihanina. Mbola hitohy hatramin’ny taona 2025 ny fampiofanana mivantana. Ireo finday avo lenta kosa no hanohizan’ny talen-tsekoly ny fampiofanana ampitain-davitra hahafeno tsara ny fahaiza-manaon’izy ireo.
Singam-pandalinana maro mahakasika ny tantsoroka ifotony, ny tantsoroka pedagojika sy ny fanatevenana ny fahalalana amin’ny fampianarana sy fibeazana ary koa ny votoatin’ny fandaharam-pibeazana no voarakitra ao anatiny.
Hasim-piofanana isan-karazany avy amin’ny foibem-pitondrana isan-tokony eto anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ihany koa no raiketin’ireto finday avo lenta ireto miaraka amin’ny didy amam-pitsipika mandrindra ny fitantanana ny sekoly.
Mirakitra ilay rindram-baiko “kobotoolbox” hanafainganana ny fampiakarana ampitain-davitra ny antontanisa sy antontan-kevitra avy any ifotony ihany koa ity fitaovana ity.
Tatiana A