Fandaharanasa manome sy mampirisika ny orinasa tsy miankina hamorona tetikasa mifantoka amin’ny tontolo iainana ny Sunref. Misy ny tantsoroka hatao azy ireny amin’ny lafiny findramam-bola hanamorana ny fanatanterahana ny tetikasany.
Natao teto Antananarivo ny 21 septambra teo ny atrikasa ao anatin’ny fandaharanasa Sunref. Mamolavola azy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), hisarihana ny orinasa tsy miankina handroso tetikasa mifantoka amin’ny tontolo iainana.
Nisy ny tomban’ezak’ireo tetikasa nahomby notohanan’ny Sunref, toy ny fikirakirana ny rano efa avy nampiasaina, ny fanodinana ny fako sy ny hafa, hanehoana fa orinasa tomponandraikitra. Nojerena koa ny sakana mampihisatra ny tetikasa momba ny tontolo iainana eto Madagasikara, nefa tena manan-danja ny rohivoahary ho an’ny fampandrosoana maharitra.
Nohamafisin’ny Sunref ny fanentanana ny orinasa tsy miankina manana tetikasa miompana amin’ny tontolo iainana, hampiditra izany ao anatin’ny paikady hitondra fampandrosoana. Sady hifindrana tsikelikely any amin’ny angovo azo havaozina, ny fiarovana ny tontolo iainana iatrehana ny fiovan’ny toetr’andro.
Fikarohana zava-baovao sy famindrana fahaiza-manao
Anisan’ny tena nodinihina koa ny fifandanjan’ny fikarohana zava-baovao eto an-toerana sy ny famindrana fahaiza-manao ara-teknolojia. Misy ny tohana ataon’ny Sunref amin’ny orinasa manatanteraka ny tetikasany. Hamoraina ny fahazoana findramam-bola any amin’ny banky, toy ny MCB Madagascar sy ny BNI Madagascar. Manampy azy ireo amin’ny famolavolana ny antontan-taratasy ny rafitra ara-bola Solidis, amin’ny alalan’ny vovonana BURGEAP, ny Gret ary ny IED.
Natolotra nandritra io fotoana io koa ny mari-pankasitrahana ho an’ireo nandroso tetikasa mendrika farany teo.
Njaka Andriantefiarinesy