Fangatahana ny tanin’ny Cnarp : hitondra ny raharaha eny anivon’ ny fitsarana ny tomponandraikitra

Nanao fanambarana ireo mpikaroka mivondrona ao amin’ny ACE fa manimba ny fikarohana ny fangatahan’ny olon-tsotra ny tanin’ny Cnarp eny Ambodivoanjo Ambojihatovo. Mpianatra an-jatony isan-taona koa no manatontosa fanadihadiana sy fikarohana amin’ilay velarana misy ny fambolena zava-maniry.

Mivoatra ny raharaha fangatahan’ny olon-tsotra ny tany mirefy 9 000 m toradroa an’ny Ivontoerana fikarohana momba ny fanafody (Cnarp) eny Ambodivoanjo -Ambohijatovo. Nanambaran’ny talen’ny ivontoerana, profesora Rakotosaona Rianasoambolanoro, fa mbola mitohy ny fangatahan’ilay olona ny tany ka hitondra ny raharaha eny anivon’ny fitsarana ny filankevi-pitantanana. Nanangona ny antontan-taratasy rehetra ilaina amin’ny fitoriana ny tomponandraikitra ny Cnarp. Toerana voavoly zava-maniry 120 karazany tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ilay misy mangataka, 600 ny hazo karakaraina ao hanaovan’ny mpianatra sy mpikaroka fikarohana ary havadika ho fanafody ny ankamaroany. 25 ny mpikaroka mampiasa mivantana ny faritra voavoly raha an-jatony ny mpianatra manao fikarohana ao isan-taona, araka ny fanazavana. “Tsy ekena raha ny toerana hanabeazana ny mpianatra no alain’ny olon-tsotra satria manimba ny fikarohana”, hoy ny filohan’ny mpikaroka mpam­pianatra eto Madaga­sikara (ACE), Rondro Bao­han­ta, tamin’ity herinandro ity. 380 ny mpikaroka miasa amin’ny Ivontoeram-pikarohana sivy mpikambana ao amin’ny ACE araka ny antontanisa ny taona 2022.
Efa niorina ny taona 1976 ny Cnarp ary nivoaka ny 22 novambra 1988 ny décret 88-453 de mise à disposition ny velarana 3ha ho an’ny Cnarp eo Petsapetsa Antananarivo.

Tanin’ny toeram-pikarohana telo no misy mibodo
Tanin’ny Ivontoeram-pikarohana telo amin’izao fotoana izao no misy mibodo: tany any Nosy-Be an’ny centre national de recherche océanographique (CNRE), ny tanin’ny Fofifa any Ambanja izay famokarana ny zanakazo kakao ary ny an’ny Cnarp.
Efa manana vokatra maromaro ny Cnarp amin’izao fotoana izao fa singanina amin’izany ny Fanaferol izay Ody fery, mampanolatra haingana ary ampiasaina betsaka rehefa manao didim-poitra. Ao koa ny fandio, savony sy pomady hitsaboana ny hodipotsy, Eugenial sady fanafody nify no ampiasaina amin’ny fandidiana ativava. Nampiasaina betsaka nandritra ny ady tamin’ny valanaretina Covid-19 ny Niaoulée, ody sery, menaka fanosotra anaty orona sy ny hevokina mitsabo ny kohaka sy sery (evoka) ary CVO manasitrana.

Vonjy A.

Partager sur: