Miantso ny vahoaka ho tony lalandava ny AKFM, araka ny fanambarany. Tsy hanaiky ho voasariky ny fihantsiana ny vahoaka. Matoky ny antoko fa vahoaka mandray andraikitra ny Malagasy, mahatsapa izay fantany fa tokony hitantana ny firenena. Manentana koa ny olompirenena tsirairay hanefa ny adidiny ka ho tonga hifidy amin’ny 9 novambra, fa izay no miantoka ny hoavin’ny tanindrazana.
Niantso ny rehetra hitandro ny fandriampahalemana sy ny filaminana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana, afakomaly. Nambarany fa tokony samy hijery sy hanao ambony toerana ny soa iombonana.
Nanambara ny ben’ny Tanànan’Ivato, i Penjy Randrianarisoa fa amin’ny maha mpitantana ny Tanàna azy sy ny toerana eny amin’ny CCI Ivato no namaliany ny fanasana natao taminy ka nanatrehany ny fampahafantarana ny Vondrona Upar, manohana ny kandidà Rajoelina Andry. Tsy nilaza fanohanana sy tsy nanonona ny anarany kandidà laharana fahatelo ny tenany tamin’izany.