« Festival International Madajazzcar » : mpanakanto maro no hanafana ny hetsika

Zary lasa fanao isaky ny volana oktobra, isan-taona, ny « Festival International Madajazzcar”. Ankoatra ny mozika, mirakitra soatoavina ihany koa ny Jazz. Fifaliana sy fifampizarana ao anatin’ny firahalahiana, araka izany, no handravaka ity hetsika ity.

Tanterahina eto Anta­nanarivo sy Antsirabe ary Nosy-Be ary Am­pefy, manomboka ny 5 oktobra hatramin’ny 15 oktobra 2023, ny “Festival Interna­tional Madajazzcar”. Miditra amin’ny andiany faha-34 ny hetsika amin’ity taona ity, izay karakarain’ny fikambanana Madajazzcar. Ankoatra ny fampisehoana, hisy ny atrikasa sy fifampizarana fahaiza-manao, eo ihany koa ny fizarana hafaliana ho an’ny olona, indrindra ny ankizy manana fahasembanana. Mpiangaly zavamaneno maro samihafa, manodidina ny 50 isa, avy eto an-toerana sy avy any ivelany, no ho avy eto Madagasikara, mandritra ity hetsika lehibe eo amin’ny Jazz ity. “Tanjon’ny hetsika amin’ity andiany ity ny hisian’ny fifampizarana eo amin’ny mpiangaly sy mpankafy “Jazz” eto an-toerana sy avy any ivelany”, hoy Ra­narison Jackie, filohan’ny fikambanana Madajazzcar.

Feno tanteraka ny fandaharam-potoana, amin’ny toerana rehetra hanatanterahana ny hetsika. Mampiavaka ny amin’ity taona ity ny fampitomboana sy fizarana ny hetsika amin’ny toerana rehetra, araka ny nambaran’i Jackie Ranarison. Ankoatra ny eto Antananarivo, hisy ihany koa ny hetsika any Antsirabe sy Ampefy, izay hitovy lenta amin’ny eto Antananarivo ihany. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny fizarana hafaliana ho an’ ireo olona manana fahasembanana eny amin’ny Orchidée Blanche Ankoron­drano. Ani­san’ny hampiavaka ity andiany faha-34 ity ihany koa ny fahatongavan’ny talen’ ny se­koly fampianarana Jazz, any Suisse, izay hitarika atrikasa ho an’ny tomponandraikitry ny sekoly fampianarana mozika eto Madagasikara sy ny mpitendry mozika.

Lin

Partager sur: