Mpanao gazety 35 avy amin’ny haino vaky jery eto an-drenivohitra sy avy amin’ny faritra nisitraka fampiofanana manokana hiatrehana ny fifidianana tetsy Ankerana, ny 19 septambra hatramin’ny 22 septambra teo. Hisorohana ny firongatry ny fanelezam-baovao tsy marina aloha sy mandritra ary aorian’ny fotoam-pifidianana, nofanina manokana hampita ny vaovao marina sy feno izy 35 mianadahy ireto. “Tokony hiavaka hatrany amin’ny mpampiely vaovao tambajotran-tserasera ny mpanao gazety”, hoy ny fanafisan’ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety izay iray tamin’ireo nanao fizarana nandritra ny fiofanana, Monica Rasoloarison. Tetsy ankilany, natsidika tamin’ireo mpiofana nandritra ity hetsika ity koa, ny anjara asan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) sy ny Voamieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Nisarihana ny sain’ny mpanao gazety niofana mba hamantaran’izy ireo misimisy kokoa ny anjara asany mandritra ny raharaham-pifidianana filoham-pirenana atao afaka roa volana, ny fiofanana.
Taorian’ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpampiofana sy ny mpiofana, tsoa-kevitra maromaro no nosintomina entina hanatsarana ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Tompon’ antoka voalohany tamin’ny fanatontosana ny fampiofanana ny Action Médias Francphones Madagascar (AMFM). Nanohana ara-bola kosa ny teo anivon’ny Vondrona iraisam-pirenena izay mampiasa sy miteny frantsay (OIF) ary mpiara-miombona antoka ny Unesco.
Tsiferana R.