Mijery sahady ny vanim-potoana hiatrehana ny maitsoahitra sy hisorohana ny olan’ny famatsiam-bary ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Mbola mitohy ihany koa ny fiarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny orinasa State Procurement of Madagascar (SPM) amin’ny fitehirizana ireo vary nafarana tonga eto amintsika. Ankoatra ny vary 15 950 t tonga tao Toliara, ny tapa-bolana lasa izay. Miditra tsikelikely ao Toamasina koa ny vary milanja 21 000 t nafaran’ny orinasa SPM na tsy manondrana vary intsony aza ny firenena Indianina. Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny herinandro teo ny vary 300t. Natoby ao amin’ny fitehirizan’entan’ny orinasa SPM eny Anosizato izany. Vary 300 t hafa ihany koa efa migadona ao Toamasina amin’izao.
Tsy maharaka
Mitana ny 40%-n’ny tsena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanondranam-bary ataon’ny firenena Indianina. Ankehitriny, tafakatra 580$ ny iray taonina raha mbola 430$ teo ho eo izany ny volana Jolay teo. Noho izany, niantraika betsaka teo amin’ny vidim-bary eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fanafoanan’ny firenena Indianina ny fanondranam-bary nanomboka roa volana lasa izay. Nihena nanaraka izay koa ny fanafaran’i Madagasikara vary. Tsy maharaka ny filan’ny mponina anefa izany. Etsy ankilany, mifampiraharaha amin’ny hidiran’ny vary eto amintsika ny fanjakana.
Henintsoa Hani