Nifarana omaly 22 septambra ny fiofanana “Fiba Regional Youth Camp”, taranja basikety, notontosaina tany Bamako Mali. Taorian’ny lalao natao, tafiditra ao anatin’ny All Star 5, ny mpilalao malagasy, Rasetriarivony A’Ranty. Izany hoe, mpilalao 5 mendrika indrindra izy, izay nahazo ny fandresena tao anatin’ny “Team Grey”, niaraka tamin’ireo mpilalao afrikanina 4, nahitana an’i Kourouma Mohamed (Guinné), Ana Mohamed Elshakery (Egypte), Kasongo Clement (RD Congo) ary Regragui Mohammed (Maroc). Nampiseho ny fahaizany tokoa i A’Ranty satria nisongadina tamin’ireo mpilalao 45 avy amin’ ny firenena afrikanina 30 izy.
Tsiahivina, naharitra 3 andro ny fiofanana nahafana nanatsara ny fahaiza-manaon’ireo tanora sangany mpanao basikety eto Afrika, izay nanomboka ny 20 septambra lasa teo. Nanana solontena roa lahy, nahitana an’i Arimanana Adriano sy Rasetriarivony A’Ranty ary ny mpanazatra Andrianantenaina Jean Felix.
Ny sokajy vehivavy indray no hiditra an-tsehatra amin’ny “Fiba Regional Youth Camp”, manomboka ny 26 septambra izao any Kigali Rwanda. Mbola manana solontena ihany koa i Madagasikara, izay hahitana mpilalao roa vavy sy mpanazatra iray.
Mi.Raz