Fihaonana IDDA III : mampandroso ny firenena ny fananàny indostria

Mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika (IDDA III) andiany faha-enina ao anatin’ ny fivoriambe faha-78 ho an’ ny firenena mikambana atao any New York omaly, i Mada­gasikara. Nisolo tena ny firenena malagasy ny minisitry ny fampiroboroboina ny indostria sy ny varotra ary ny fanjakana, Razafindravahy Edgard sy ny minisitry ny raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Lohahevitra no­safidiana tamin’ity taona ity ny « fametrahana ny fampandrosoana, fitazonana ny fahaiza-manao indostrialy aty Afrika: fanafainganana ny famoka­rana » Nivoitra fa mila maharaka ny fifaninanana anatin’ny fanatontolona ny firenena Afrikanina ary manaporofo fa manana fahafaha-mamokatra sy miavaka amin’ny firenena hafa. Mitaky fepetra maro sy fanehoana ireo rojom-piha­riana enti-hiatrehana ny fifaninana ao anatin’ny fanatsarana ny seha-pamokarana nefa izany. Resy lahatra fa hampandroso ny firenena mala­gasy ny fametrahana ny taninketsa indostrialy any amin’ny faritra samihafa. Maneho ny fanavononana sahady izao fa afaka mifaninana eo amin’ny tsena afrikanina ny fananàn­tsika ireo tetikasa fanodiam-bokatra any atsimo andrefana (PTASO), ny tetikasa fanohanana ny fampiroboroboana ny indostria sy ny sehatra ara-bola (PAISF), ny faritra fari-piadidiana ara-toekarena ma­nokana ary ny faritra hisandratran’ny indostria.

Henintsoa H.

Partager sur: