Andro iraisam-pirenena ho an’ny fandriampahalemana , omaly. Nitondra hafatra mafonja ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa. « Izany no andrandraina isan’andro eto Madagasikara ka anaovana antso avo ho an’ny fitoniana amin’ny lafiny rehetra. Manana adidy sy andraikitra voalohany amin’izany ny Foloalindahy, ka tsy sasatra mamerina hoe : aoka samy hitandro ny fahalemana sy ny filaminana ny rehetra », hoy izy. Nohamafisiny fa aoka hijery sy hanao ambony toerana ny soa iombonana. Samia maneho ny tena fo mahay mitia ny tanindrazana, na ny mpanao politika, na ireo antoko samihafa manana ny firehan-kevitra tsy mitovy, indrindra ireo tomponandraikitra na olom-boafidy na ny olom-boatendry. Nambarany koa fa manana adidy ny vahoaka hifarimbona amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana. « Asehoy fa vahoaka mitandro ny hasin’ny taniny sy ny fireneny ary mandala hatrany ny fihavanana ny vahoaka malagasy », hoy hatrany ny MDN. Tonga eo amin’ny kihon-dalana isika Malagasy, ankehitriny, satria hiatrika fifidianana afaka andro vitsy. Meteza ho olom-banona, vonona hitandro ny fandriampahalemana satria tsy hafa isika fa Malagasy iray.
Jean Claude