Araka ny vokatra teo amin’ny andro fahefatra izay natao omaly, mbola sarotra fantarina ireo ekipa tafita hiakatra amin’ny dingana manaraka. .
Notontosaina tany Mahajanga sy Antsirabe, omaly 22 septambra ny andro fahefatra, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Hatramin’ izao, mbola ady sarotra ny hamaritana ireo ekipa roa isam-bondrona tafita amin’ny dingan’ny famaranana “Poule des AS”.
Raha ho an’ny vondrona Antsirabe, efa any amin’ny andiany manaraka ny tongotra ilany ho an’ny FC JM Androy. Mbola miankina amin’ny fihaonan’izy ireo sy ny JSA Level Ihorombe rahampitso nefa izany. Marihina fa mila tsy resin’ ny JSA Level izy ireo, vao tafita amin’ny “Poule des As”.
Ankoatra izay, niakatra indray ny herijikan’ny FC Inate Vakinankaratra rehefa nandresy ny JSA Level, tamin’ny isa 3 no ho 0, nandritra ity andro fahefatra ity. Isa tokana monja izay ampy hahatafita ny mpampiatrano any amin’ny Poule des AS. Marihina fa manana isa 10 ny ny mpilalaon’ Androy, izay voalohany. Mitana ny isa 9 ny FC Inate, faharoa, ary isa 7 ny JSA fahatelo.
Ho an’ny faritr’i Mahajanga, mbola manana herijika hiakarana Poule des AS avokoa ireo klioba dimy ankoatra ny TGBC Atsinanana. Tsiahivina fa ekipa roa isam-bondrona ihany no manao ny “Poule des As” amin’ity fifanintsanana ity. Klioba roa ihany avy eo no hiakatra ao amin’ny “Orange Pro League (OPL)”, taom-pilalaovana 2023-2024.
Fitia
Ireo voka-dalao omaly :
* Mahajanga :
AS3A Amoron’i Mania 3 – 2 TGBC Atsinanana.
ESPOIR Betsiboka 2 – 1 FC ZOYA Boeny
3FB Alaotra Mangoro 1-1 KFCA Diana.
* Antsirabe :
Jet Bongolava 2 – 3 FC JM Androy
FC Inate Vakinankaratra 3 – 0 FC JSA Level Ihorombe
GJFT Atsimo Andrefana 2 – 3 AS JFC Atsimo Andrefana