Kitra – Fifidianana eo anivon’ny FMF : hivoaka amin’ny talata izao ny kandidà ofisialy

Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana eo anivon’ny federasiona Malagasin’ny baolina kitra, ny alatsinainy lasa teo fa mbola eo am-pandinihina ny lisitr’ireo kandidà nandro­tsaka ny taratasy filatsahan-kofidina ho komity mpitantana sy ny ho filohan’ny federasiona (FMF), izy ireo ankehitriny.

Hivoaka ny talata 26 septambra ho avy izao, ny lisitr’ ireo kandidà nahafeno fepetra ka ho afaka hifaninana amin’ izany. Anisan’ny hitodihan’ny mason’ny rehetra ireo kandidà miady izay ho filoha, hoan’ny taom-piasana manaraka. Raha tsiahivina, miisa 5 mirahalahy mianaka izy ireo. Olona tsy zoviana amin’ny rehetra intsony fa efa niaina tao ana­tin’ny tontolon’ny baolina kitra avokoa. Anisan’ireny, Rako­tomalala Stanislas, sekretera jeneralin’ny Club de football elite de Madagascar (CFEM), misahana ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”. Eo koa i Victorien Andrianony, filoha mitantana ny federasiona amin’izao fotoana.

Fahatelo, Andriamanam­pisoa Alfred, filoha lefitra eo anivon’ny FMF. Manaraka azy, Rakotoma­monjy Neypatraiky, efa mpikambana teo anivon’ny federasiona, tamin’ny andro nitondran’i Ahmad, loholon’i Mada­ga­sikara. Farany, Astina Douglas mpandraharaha sady filoha mpanorina ny JFC Toliara.

Tompondaka

Partager sur: