Mahavimbina Alain: « Zava-dehibe ny tsy fivadibadihana » 

Anisan’ny nanotrona ny fampahafantarana ny vovonana UPAR, teny amin’ny CCI Ivato, ny lehiben’ny faritra Atsi­nanana, tamin’ny andron’ny Tetezamita, Mahavimbina Alain. Anisan’ireo tsy nivadika tamin’ny filoha Rajoelina Andry rahateo izy taorian’ny nanesorana azy tamin’ny toerany.
« 11 taona aho tsy nitazona toerana tamin’ny fitondram-panjakana. Niezaka ny tsy hivadika tamin’ny foto-kevitra politika aho. Manaja ny hafa kosa anefa rehefa misy ny fanasana ka mety nahitana ahy tamin’ny hetsika samihafa. Mandala ny fanehoan-kevitra samihafa aho saingy miezaka ny tsy mivadibadika palitao », hoy izy nitondra ny heviny tamin’ny mpanao gazety. « Zava-dehibe ny famondronana ny hery amin’ny vanim-potoana tahaka izao satria eo no ahitana ny tena namana. Ny fotoan-tsarotra sy efa ho rava tahaka izao no hitarafana izay mpiara-miombon’antoka tsy mivadika sy tsy hamadika », hoy hatrany izy. Raha tsiahivina, ny taona 2009, nandray ny andraikitra maha lehiben’ny faritra izy. Niara-
nitolona tamin’ny filoha Rajoelina hatrany amboalohan’ny tolona izay natombony, nanoherany ny fandikan-dalàna sy ny jadona.

Partager sur: