Minisitra Ramaholimasy Pierre Holder: “Aleo ny vahoaka hiteny amin’ny fifidianana”

“Aleo ny vahoaka no hiteny amin’ny alalan’ny fifidianana amin’izay ho filohan’ny Repoblika”, hoy ny minisitry ny Fananantany sy ny fanajariana ny tany, Ramaholimasy Pierre Holder, tamin’ny fizarana karatany tany Ambanja, afakomaly, manoloana ny fiatrehana fifidianana. Eo an-tanan’ny vahoaka malagasy ny fahefana. Raha ny firotsahana ho filohan’ny Repoblika, isaky ny dimy taona ny fampisehoan’ny vahoaka malagasy izay fahefana izay. Mahazo mitabataba mandritra ny fe-potoam-piasana dimy taona ny mpanao politika, manohana na manohitra. Isaky ny dimy taona, mangina ny mpanao politika: miverina amin’ny vahoaka tompon’ny fahefana ny fitenenana.
Tonga izao ny fotoana hiverenan’ny vahoaka hiteny. Ny vahoaka amin’izay no miteny amin’izao 2023 izao amin’izay ho filohan’ny Re­poblika. Tokony hangina ny mpanao politika. Manambi­tam­by vahoaka, raha te hiteny izy ireo amin’izay tiany hatao. Ny vahoaka no tokony hiteny amin’ity fifidianana ity fa tsy ny mpanao politika intsony. Nefa amin’izao toe-javatra izao, tsy mbola manaiky ny mpanao politika sasany: aleo aloha tsy hiteny ny vahoaka fa hahemotra ny fifidianana, aleo aloha jerena. Tsy ho afa-po ny mpanao politika na hahemotra dimy taona io, na efa-taona, na enim-bolana… Ady politika io ataon’ny vondrona kandidà io, fomba fiady.

R. Nd.

Partager sur: