Nampahafantarina omaly, teny Andraharo, ny tetikasa “Manda” tanterahin’ny studio Sifaka sy ny tetikasa Mahaloke, tanterahin’ny Ilontsera, samy tohanan’ny Unesco.
Samy miompana amin’ny fiarovana ny mpanao gazety mandritra ny asa fitrandrahana vaovao amin’izao vanim-potoanan’ny fifidianana izao ny tetikasa “Manda” sy “Mahaaloke”.
Ny tetikasa “Mahaaloke” tanterahin’ny ONG Ilontsera dia hampahalala ny mpanao gazety momba ny lalàna miaro azy amin’ny asany. Mbola mila laniana anefa izany lalàna izany hampanan-kery azy. Hofanina ihany koa ny mpanao gazety ao anatin’ity tetikasa ity. Raha tsy lany ny lalàna miaro dia tsy afaka manao ny asany an-kalalahana ny mpanao gazety. Mizara 4 ny asa tanterahina, fampiofanana ireo mpanao gazety hahay kokoa ny vontoatin’ilay lalàna, hisy ny fiarahan’ny sehatra rehetra amin’ny fandaniana ny lalàna. Governemanta, parlemantera, fiarahamonim-pirenena, mpanao gazety…
Eo amin’ny fitrandrahana ny vaovao no manahirana ny mpanao gazety, mbola olana koa ny famoahana ilay vaovao. Ny Ilontsera mahita fa iniana hatao ny tsy mampandany io lalàna io mba hahafahana mifehy ireo mpanao gazety tsy ho any amin’ny fandalinana lalina any amin’ny fitrandrahana vaovao.
Ny tetikasa “Manda” dia miaro ny vehivavy mpanao gazety manoloana ny herisetra ara-nofo mandritra ny fotoanan’ny fifidianana. Raha ny antontanisa dia betsaka ny iharan’ny herisetra na eo amin’ny samy mpiara-miasa na avy amin’ny loharanom-baovao sy ireo ifaneraseran’ny mpanao gazety.
Tetikasa hanosehana ny vehivavy hahay hiaro tena eo am-panatanterahana ny asany ny “Manda”. Hahazo fampiofanana mandritra izany izy ireo ka haharitra enim-bolana ny faharetany. Avondrona ao Fianarantsoa, Toliara ary Antananarivo ny fampiofanana.
Tatiana A