SOMBIM-BAOVAO

Basikety, fantatra tamin’ity herinandro ity ireo mpanazatra malagasy afaka tamin’ilay fiofanana nomen’ny manam-pahaizana, i Naoufal Uariahi, ny volana jolay lasa teo. Fiofanana tohanan’ny « World Association Basketball Coaches» (WABC), notontosaina teto Madagasikara. Mpanazatra 11 mianadahy no afaka tamin’ity fiofanana “Niveau 1” ity.

Razafindranaivo Koloina na Rakool, Malagasy mpilalao baolina kitra. Nalaza tao anaty tambajotra-tserasera fa lasa any Marseille, France ity kintan’ny baolina kitra malagasy ity. Raha ny vaovao voaray
eto ampelantanana, manao andrana anaty klioba National 3 any an-toerana izy amin’izao fotoana izao.

Araka ny vaovao voaray omaly, hahemotra aorian’ ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona Mala­gasy ny Baolina kitra (FMF) ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara Telma Coupe de Madagascar 2023. Tsiahivina fa ireo klioba valo tafita amin’io dingan’ny ampaha valon-dalana io, ekipa mifaninana amin’ny Orange Pro League avokoa.

Nomontsanin’i France, mpampiatrano tamin’ny isa mavesatra 96 no ho 0 i Namibia, ny alakamisy lasa teo, tamin’ny Mondial Rugby 2023. Araka izany, mitarika ao amin’ny vondrona A ny XV de France. Ankoatra izay, hiakatra kianja anio, ny ekipam-pirenen’i Angleterre, izay hihaona amin’i Chili.

Partager sur: