Anisan’ny paikady hiadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Antananarivo ny fambolena an- drenivohitra. Mandray anjara amin’izany ny ataon’ny ONG Gret ao anatin’ny tetikasa « Aintsoa », vatsian’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana, AFD, ara-bola.
Natolotra omaly zoma 22 septambra ny fitaovana sy kojakoja ara-pambolena maro ho an’ny mpamokatra eto an-tanàn-dehibe, toy ny moto, bisikileta, ordinatera sy ny kojakoja miaraka aminy, borety, sns. Nisy koa ny fitaovana hanavaozana ny biraon’ny ONG Gret eny Antanimena.
Lohahevitry ny tetikasa Aintsoa ny hoe « Fambolena an-drenivohitra », hanampiana ny tokantrano marefo ara-pivelomana hahaleo tena ara-tsakafo. Miisa 800 ny tokantrano hisitraka izany.
Anisan’ny hifantohan’ny tetikasa « Fambolena an-drenivohitra » koa ny famatsiana ny fisakafoana ho an’ny zazakely sy ny sekoly EPP maromaro eto an-drenivohitra. Anisan’ny misitraka izany ny eny amin’ny fokontany Antetezana Afovoany. Eny Antanimena ny toerana fampiofanana sy fampirantiana ny teknikan’ny “Fambolena an-drenivohitra”.
Njaka A.