Niakatra ny ranomasina tao amin’ny kaominina Saint Augustin, distrikan’i Toliara II. Araka ny tatitra nataon’ny lehiben’ny distrikan’i Toliara II, voaray teny anivon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), namela takaitra ho an’ny mponina sy ny fihariany izany. Trano 141 simba sy dobo rano, 30 koa ny lakana simba raha 94 no tsy hita . 244 ireo traboina ary vola mitentina 4 000 000 Ar no lasan’ny rano nandritra ny fiakaran’ny ranomasina. Efa mandray ny andraikitra ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny BNGRC sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana manoloana ny voina nitranga.
Nanao fampitandremana ny foibe famantarana ny toetry ny andro fa hanonja be ny ranomasina nanomboka ny 17 septambra ka hatramin’ny 20 septambra lasa teo ary voakasika izany ny morontsiraka ao Atsimo Andrefana vokatry ny haavon’ny onja mety ho nahatratra 5m. Niteraka olana ho an’ny mponina mipetraka manamorona ny ranomasina ny herin’ny onja satria nampiakatra be ny ranomasina.
Vonjy