Basikety-BAL: Ekipa vahiny 3 no ho avy eto Madagasikara

Hotontosaina eto Madagasikara, ny 6 hatramin’ny 8 oktobra ny dingana voalohany amin’ny fifanintsanan’ny Basket ball Africa League “Road to BAL”, ao amin’ny vondrona E misy ny Cospn Madagasikara. Fantatra fa ekipa 3 avy eto amin’ny ranomasimbe indiana no ho avy eto an-toerana hiatrika izany fifaninanana izany.
Roa herinandro tsy hanombohan’ny “Road to BAL”, dingana voalohany, ny klioban’ny Ushindzi Kaomoro, ny Roche Bois Warriors Maorisy ary ny Beau Vallon Heat Seychelles no efa namaly fa ho avy hifaninana. Mety tsara amin’ny Cospn ireo ekipa mpifanandrika aminy ireo, raha ny nambaran’ny teknisiana malagasy. Tsiahivina fa mbola i Madagasikara no mitana ny lohany eo amin’ny taranja basikety, raha ny eto amin’ny ranomasimbe indiana no resahana. Na izany aza tsy afaka ny hanamaivana mpifanandrina.
Mbola mety hisy ny fiovana, mandra-pahatonga ny datin’ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasiona Malagasy ny basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Notsiahiviny fa ekipa 5 no tokony nandray anjara tamin’ny herintaona tamin’ny dingana fifanintsanan’ny Road to BAL ity. Ekipa 3 ihany anefa no nifaninana sy tonga tamin’ny fotoanan’ny fifaninanana. Mety mbola hisy araka izany ny fihemoran’ny ekipa sasany amin’ireo mpandray anjara ireo.

Mi.Raz

Partager sur: