Efa mandeha ny fizarana ny karatry ny mpifidy, amin’izao fotoana izao. Manao izay fara heriny ny Ceni ahazoan’ny olom-pirenena izany mialoha ny fifidianana.
“80 % eo ho eo ny hafainganam-pandehan’ny fizarana karatry ny mpifidy. 1 360 amin’ ny kaominina 1 695 no efa nahavita izay fizarana karatry ny mpifidy izay”, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny fandehan’ny zotram-pifidianana teny Alarobia, tamin’ny faran’ ny herinandro teo. Azo lazaina hoe 100 % izay fizarana karatry ny mpifidy izay, raha ny
eny anivon’ny distrika. Raha fokontany, fantatra misy andehanana dia an-tongotra roa na telo andro vao tonga any amin’ ny renivohitry ny kaominina. Ao anatin’ny fampirisihana ny mpiara-miasa rehetra manerana an’i Madagasikara izay ny Ceni amin’izao. Mba handray misimisy kokoa ny adidy aman’andraikitra tandrify azy ny tsirairay. Mba ho voazara, araka ny tokony ho izy, ny karatry ny mpifidy.
Efa navoakan’ny Ceni ao amin’ny tranonkalany ny momba ny birao fandatsaham-bato: aiza avy ary iza avy? Na ny anarany izany na ny toerana misy azy. Olona dimy kosa no mandrafitra ny biraom-pifidianana na ny mpikambana amin’ny biraom-pifidianana.
Misy biraom-pifidianana 1 987 manerana an’i Madagasikara. Raha tratra aoriana indrindra, 30 andro mialoha ny androm-pifidianana no tokony ho tafapetraka ireo mpikamban’ny birao fandatsaham-bato. Efa eo am-pitadiavana izay olona mahafeno ny fepetra amin’izany ny Ceni amin’ izao.
R. Nd.