Fanambarana etsy, fanehoan-kevitra eroa. Samy manao izay efany sy afany ny rehetra, na ny andaniny na ny ankilany. Amin’izany, misy ny alaim-panahy fa izay miteny matetika sy miteny mafy ary manana fahasahisahiana ratsy miteny no hoe manana ny marina, ekena, tokony harahina. Misy tonga amin’ny fanalam-baraka, fanaratsiana, fanosoram-potaka… Vitan’izany ve ny raharaha? Na mivaha amin’ny fanambarana sy fanehoan-kevitra izay heverina ho mampifanditra amin’izao. Tsy
vitan’izany, hatao ahoana no hampindrana fahefana ny olona toy izany? Tsy fanaratsiana ny hafa no hahatsara ny tena, na ny fandotoana ny hafa no hampahadio ny tena.
Tsy vitan’izay fanambarana na fanehoan-kevitra fa misy fanambarana na fampitambarana hery. Mandeha avokoa izao karazana fidrikinana, familafilana, amboletra… Amin’izany, misy koa ny mihevitra fa rehefa maromaro mitambatra no manao fanambarana dia marina, ekena, tokony harahina… Misy tonga amin’ny fitompoana teny fantatra, ahina hanakorontana fotsiny izao rehefa tsy araka izay iheverany azy ny fizotran’ny raharaha… Izay ilay hoe korontana aloha na mandritra na aorian’ny fifidianana? Efa itaizan’ny sasany saina sy amendrofendroana lava, ary ataony aza izay hahatongavany izany fa hoe marina izay lazainy ary ho tanteraka.
Nefa na inona fanambarana avoaka sy fanambarana hery, na avy amin’iza na iza na avy aiza na avy aiza: ny vahoaka ihany no tompon’ny teny farany amin’ny fifidianana. Ho hita eo… Tsy takona afenina amin’izao, misy tsy miraharaha vahoaka fa ny adilahy politika no zava-dehibe sy mahamaika azy; eny, sanatria, na potika aza ny fiainam-bahoaka. Soa ihany, ny vahoaka no tompon’ny teny farany. Manana ny hambarany sy hanambatra ny heriny koa?
R. Nd.