Na teto an-toerana na tany ivelany, nanatontosa hetsika maro ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), ny faran’ny herinandro teo. Sabotsy 23 septambra, namoahana ny andia Rakotoson Daniel sy fanasalorana lamba ny sampana Fi.Mpi.Ma Ivon’i Gasikara any Soavinandriana. Fankalazana sy fandraisana ny fanilo faha-60 taona sy fankalazana ny faha-15 taonan’ ny faritany Fi.Mpi.Ma Kanada notanterahina tany Montréal. Hetsika anisan’ny niavaka noho ny fisian’ny fandaharam-potoana maro tao anatiny. Diabe, seho kanto, famoahana andia mahatsangy, fanasaloran-damba any andia lofo. Fanolorana valimbabena ho an’ny Renala sy ny Voarabe sy ny tsinjaka bevata… Tany Luxembourg, fanokafana ny taom-pianarana 2023 – 2024, sampana Benelux. Omaly alahady 24 septembra, notanterahina teny Ambohimirary ny famoahana ny andia Rakotoson Daniel sy fanasalorana lamba ny sampana Fiantso. Famoahana ny andia Arosy sy fanasalorana lamba ny sampana Kokambo (Mahanoro), sy ny sampana Antsafa (Vatomandry) tany Mahanoro.
Marihina fa mandia ny faha-60 taonany ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy maneran-tany. hetsika maro no hoenti-mankalaza ity vanim-potoana lehibe ity. Misy ny any ivelany fa tsy vitsy ihany koa ny eto an-toerana.
HaRy Razafindrakoto