Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Fianarantsoa, ny “Challenge de Betsileo”, andiany faharoa, taranja Karate. Niavaka tanteraka ny fifaninanana tamin’ity indray mitoraka ity satria saika namaly ny antso avokoa ny ligy rehetra manerana ny Nosy ary nandray anjara ireo kalaza sy nahazo medaly tamin’ny lalaon’ny Nosy teo. Raha hiverenana ny vokatra, klioba nisongadina indrindra ary nahazo medaly betsaka indrindra, klioban’ny SKA Ambalavao ary nahazo ny klioba mendrika indrindra ihany koa. Anisan’ny nisongadina ny fifaninanana Kata zazalahy nataon’ity klioba ity, izay nandraisan’i Jade, i Aintsoa ary i Avotra anjara. Nifaninana tamin’ny sokajy zokiny izy ireo satria tsy nisy sokajin-taona sahaza azy ireo kanefa tena nisongadina teo amin’ny famaranana. Tsiahivina, tamin’ny taona 2022 ny andiany voalohany tamin’ny “Challenge de Betsileo” ity izay nisian’ny fanofanana ireo mpitsara sy mpanazatra.
Mi.Raz