Kitra – D2 National: fantatra avokoa ireo ekipa efatra hanao « Poule des As »

Toy ny efa nampoizin’ny rehetra ihany. Tafita hiatrika ny dingana manaraka ny FC JM Androy, FC Inate Vakinankaratra, KFCA Diana ary ny 3FB Alaotra Mangoro.

Nifarana tany Mahajanga sy Antsirabe, omaly 24 septambra ny andro fahadimy, fifaninanam-pirenena « D2 National », taranja baolina kitra. Efa fantatra avokoa ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona tafita amin’ny dingan’ny famaranana “Poule des AS”. Raha ny tany Mahajanga, KFCA Diana sy ny 3 FB Alaotra Man­goro no solontenan’izy ireo. Ny tao Antsirabe, ny FC JM Androy sy ny FC Inate Vakinankaratra. Raha hiverenana ny vokatra farany azon’ireo klioba efatra ireo. Anisan’ireo tena voka-dalao nanahitra ny olona, ny tao Antsirabe. Nomontsanin’ny FC JM Androy tamin’ny isa mavesatra, 9 no ho 2 ny JSA Level Ihorombe. Ankoatra izay, lavon’ny FC Inate Vakinankaratra, 7 no ho 3 ny CFJT Betania. Raha hiverenana ny tany Mahajanga, resin’ny KFCA Diana, 2 no ho 0 ny AS Espoir Betsiboka. Nahilikin’ny 3FB Alaotra Mangoro, 6 no ho 1 ny AS 3A Amoron’i Mania.
Tsara marihina fa tsy mbola fantatra ny daty sy ny toerana hanatontosaina ity “ Poule des AS” ity. Tsiahivina fa miakatra ao amin’ny fifanintsanan’ny “Orange Pro League” (OPL), ireo ekipa roa voalohany amin’ity fifanintsanana ity.

Fitia

Ireo voka-dalao omaly :
Mahajanga :
KFCA Diana (2) – (0) ESPOIR Betsiboka
3FB Alaotra Mangoro (6) – (1) AS 3A Amoron’i Mania
FC ZOYA Boeny (4) – (1) TGBC Atsinanana.
Antsirabe :
FC JSA Level Ihorombe (2) – (9) FC JM Androy
AS JFC Atsimo Andrefana (2) – (1) Jet Bongolava
FC INATE Vakinankaratra (7) – (3) GFJT Atsimo Andrefana

Partager sur: