Rotary Club Antananarivo Vovonana : mpianatry ny EPP Volavy miisa 100 nahazo fitaovam-pianarana

Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatry ny EPP Volavy Gara eny Man­jakandriana ny fikambanana Rotary Club Antananarivo (RCA) Vovonana. Nanatan­teraka izany ny filohany, Randrianarisoa Malalatiana, niaraka tamin’ny mpikambana vitsivitsy, toa an-dRaketa­manga Lalao, efa filoha teo aloha.
Niisa 100 ny ankizy nisitraka ny fanampiana, ka ao amin’ny kilasy T5 izay hanala fanadinana CEPE ny 27, ary ankizy mendrika tamin’ny taom-pianarana 2022-2023 ny 63 ambiny. Fitaovam-pianarana toy ny kitapo, kahie, stylo, pensilihazo ary fitsipika, no nomena azy ireo.
Nomena tombon-dahiny, nahazo akanjo mafana ireo mpianatry ny T5. Nanka­sitraka izao fanampiana izao ny talen’ny EPP Volavy, Ran­drianarimanana Hanta, fa vao maika hamparisika ny ankizy hazoto hianatra. Efa nahatratra 91% ny taham-pahafahana CEPE tao amin’ity sekoly ity tamin’ny taona 2022-2023.

Efa nisy ny hetsika iantohana ny fahasalamana ho an’ny ankizy miisa 65 ao amin’ny toby Le Triomphe eny Ambohimangakely, ny volana jolay teo. Nanome jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ho an’ny fikambanana Vonona sy ny CSB II any Manalalondo, distrika Arivo­nimamo kosa ny volana aogositra. Any Ambohimanambola indray amin’ny volana oktobra ho avy izao.

Njaka A.

Partager sur: