Notanterahina tany Frantsa, omaly, ny andro fahatelon’ ny vondrona B amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja rugby. Lavon’Irlande tamin’ny isa 13 no ho 8, ny tompondaka farany, ny taona 2019, ny Springboks Afrika Atsimo. Raha hiverenana ny lalao ny roa tonta, 3 no ho 7 ny isa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, resy ny Springboks. Io isa io ihany ny nentina niala sasatra.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, manomboka nanohitra ny tompondaka farany. Maro ireo baolina tsy tafiditra, na ny “CCP raté”. Teo amin’ny minitra faha-75, nanao fahadisoana i Afrika Atsimo. Notsarain’ny mpilalaon’i Irlande izany, ka niafara tamin’ny 13 no ho 8 ny isa teny amin’ny solaitrabe.
Araka izany, mitarika vonjimaika eo amin’ny laharana voalohany ny Trefle Irlandey raha toa ka faharoa ny Springboks Afrika Atsimo. Tsiahivina fa i Irlande, tompondakan’ny fifaninanana 6 nations. Tsara ny mampahafantatra fa ny “Mondial Rugby 2023”, nanomboka ny 8 septambra lasa teo ary hifarana ny 28 oktobra ho avy izao.
Fitia