Rugby : nanentana ireo kilonga ambany tanàna ny Tibu Africa

Taorian’ny faritra Atsimo Andrefana, nitohy teto Anta­nanarivo indray ny fanentanana ireo ankizy, ampanaovin’ny Tibu Africa sy ny Terres en mêlées Madagascar eo amin’ny taranja rugby. Notantera­hina teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka izany ny sabotsy lasa teo. Nisitraka izany, ireo kilonga 100 mianadahy eo amin’ny 7 – 15 taona, avy amin’ireo faritra iva manodidina an’Andohatapenaka sy klioba ary fikambanana. Nanaovana fanentanana sy nofanina ary nampilalaovina rugby, niendrika fanazaran-tena izy ireo.
Nisahana izany, ny teknisianina miisa 20 mianadahy avy amin’ny Terres en mêlées sy mpanentana avy any Toliara. Tanjona ny hampivoatra ny fiainan’ireo ankizy, ho sahy hiatrika fiainana. Tafidi­tra ao anatin’izany, ny fampianarana azy ireo ny tenim-pirenena, ny “informatique” ary indrindra ny fanatanjahantena. Vy nahitana sy angady nananana, izao hetsika izao, ny Panafricaine manana vina sy tetikasa amin’ireo firenena efatra eto Afrika. Nanohana ny hetsika ny orinasa Ford sy Materauto. Nohararaotin’izy ireo, ny niala tamin’ny rotorotom-piainana andavanandro ka nampahafantatra ireo mpi­a­sa ao aminy, hijery ny sehatra hafa eto Antananarivo, dia ireo ankizy eny ambany tanàna amin’ny rugby. Nambaran’i Frederic Schaffner, tale jeneralin’ny Materauto fa ny mba hisian’ny ankizy ho lasa toa an’i Marcelia, tovovavy nioitra tao anatin’ny rugby ka lasa masoivohon’ny Terres en mêlées maneran-tany. Izy izay hanainga atsy ho atsy hanatrika ny “Mondial 2023”, tanterahina any Frantsa.

Tompondaka

Partager sur: