Tontosa omaly 23 septambra 2023 tany Tanambe Alaotra Mangoro, ny fanolorana ireo mari-pankasitrahana sy ireo fitaovana ho an’ireo mpanazatra nanaraka ny fiofanana « pass it back rugby ». Tonga nanome voninahitra izany fotoana izany, ny tale misahana ny fanatanjahantena any an-toerana izay avy eo anivon’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Samy nahazo klioba, vaovao vao haingana, i Carolus sy i Coka, Malagasy mpilalao baolina kitra. Raha ho an’i Carolus manokana, nahavita nampiditra baolina roa sahady izy tamin’ny lalao fanokafana ny fifaninana tany Arabie Saoudit, diviziona faharoa. Marihina fa milalao ao amin’ny AL Kawkab izy. Raha i Coka indray, nahatafiditra baolina dimy, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana nihaonan’ny Real Maldives tamin’ny Glacis FC, tany Seychelles.
“Remontada”, teny iray entin’ireo mpakafy baolina kitra sy mpanao fanatanjahantena amin’izao fotoana izao. Nahavita namoaka io teny io indray ny ekipa Espaniola, Barcelone FC. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2 ny Celta Vigo, nandritra ny fifaninam-pirenena Espaniola “La Liga 2024”. Marihina fa ny Celta Vigo no nitarika 2 no ho 0 hatramin’ny 80 minitra.