Taekwondo WT: vaky ny ady eo amin’Analamanga sy ny federasiona

Mihenjan-droa amin’izao fotoana izao ny tady eo amin’ny ligin’Analamanga sy ny federasiona Malagasy ny Tae-kwon-do WT. Namaky ny vay maharary ity haiady ity, tamin’ny rehetra, ny filohan’Analamanga, Rakotomanana Franck Tiana.

Namory ny mpanao gazety, tetsy Andravoahangy, ny sabotsy lasa teo, ny filohan’ny ligin’Analamanga, Rakotomanana Franck. Nokianiny mafy tamin’izany, ny fitantanan-dRamanantsoa Christian, filohan’ny federasiona malagasin’ny Tae-kwon-do WT (FMTKD), nambarany fa efa lany fotoam-piasana. Tsy nitsitsitsitsy fitenena mihitsy izany, tamin’izany. “Tsy afaka ny hangina intsony izahay manoloana ny zava-misy amin’ny Tae-kwon-do eto Madagasikara. Be loatra ny fitarainana avy amin’ny atleta sy ny kiantranoantrano, ny fanilikilihana ary ny tsy fanarahan-dalàna ka nahatonga ahy handray andraikitra”, hoy izy.
Novakiany bantsilana ny fanavakavahana ireo mpikatroka. Nambarany fa nisy atleta nanaraka ny fampivondronana nandritra ny enim-bolana saingy nesorina tamin’ny ora farany ary nosoloina ny zanaky ny mpitantana eo anivon’ny federasiona.
Nampametra-panontaniana ny tenany ny teo amin’ny fihetsika mirindra “poomsae”. Misy baiko midina ka “style” hafa indray no nampanaovina izany. Tsy nijanona teo ny fanakianana mavaivay avy amin’ity filohan’ny ligin’Analamanga ity. “Ho avy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika any Côte d’Ivoire, ny 11 sy 12 novambra ho avy izao. Aleo izay tena mahavita no hanao izany fa tsy olona entina foana nefa resy fihodinana voalohany”, hoy izy.

Arosoy ny fifidianana
Nanamafy Rakotomanana Franck Tiana, fa tokony efa hiroso amin’ny fifidianana ny federasiona fa tsy hiandry amin’ny volana janoary. Ankoatra izay, takiny, ny hisian’ny fivoriambe ka hasiam-panovana ny sata mifehy ny Tae-kwon-do WT. Analamanga manana seksiona sy klioba maro ary atleta betsaka indrindra nefa mitovy “quotat” amin’ny ligy tsy misy afa-tsy seksiona 1 na 2 monja, raha ny nambarany.
Naneho ny alahelony ity mpitantana ny Tae-kwon-do WT Analamanga ity, ny famerezan-jo ireo ligy hafa toa an’i Matsiatra ambony sy Menabe, Diana ary Vakinankaratra. Izy ireo izay manana ny taratasy ara-dalàna amin’ny fitsanganany ary nahavita fifaninanana an-tsakany sy an-davany. “Lakolosy fanairana ny anay ity fa hiditra amin’ny dingana mafimafy kokoa raha mbola manao be marenina ny federasiona”, namarana ny teniny.

Tompondaka

Partager sur: