TARATRY ny KANTO

Poopy 40 taona niakarana an-tsehatra. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fankalazana ity vanim-potoana lehibe ity ny fanatontosana seho any ivelany. Fantatra fa ny 21 oktobra izao, ma­nomboka amin’ny 9 ora alina, no hanatanteraka seho ao amin’ny Lune d’Or (20 Avenue des Courtes Eplu­ches 91100-Villabé) ity mpanakanto manana ny lazany ity.

“Beatbox Battle Madagascar”. Tontosa omaly, teny amin’ny CGM Analakely, ny dingana famaranan’ny “Beatbox Battle Madagascar”. Voahoso­tra ho tompon-dakan’i Madagasikara tamin’izany i Kelly West, sokajy “Solo”. Haikanto mbola tsy dia fantatry ny Malagasy ny “Beatbox”, saingy efa maro ny tanora miangaly izany.

Mitohy hatrany ny adin-kiragasy, etsy amin’ ny kianjan-dRa-Petit, Ampefiloha. Anisan’ny hetahetan’ ny mpitia hiragasy ny hamoahana mialoha ny anaran’ ireo tarika roa hifandona isaky ny faran’ny herinandro. «Raha azo atao, avoaka ao anatine lisitra iray ny anaran’ny tarika sy ny faran’ny herinandro hifanandrinan’ izy ireo», hoy ny mpijery.

Do B. Nahazo mari-boninahitry ny kanto, soratra ary kolontsaina, avy amin’ny fitondram-panjakana Rasolofoarison Ronaldo , fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Do B. Ny nahazoany ny tompondaka maneran-tany, nandritra ny fiadina ny tompondaka eran-tany teo amin’ny “Beatbox”, sokajy “Vocal Scratch” no namomezana azy izany.

Partager sur: