Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy naka ity jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Paraky, Andrefan’Ambohijanahary ity, ny zoma hariva teo. Tratra teo am-panendahana vehivavy teo akaikin’ny tobin-tsolika iray eo amin’ny toerana atao hoe Descours izy. Niantso vonjy avy hatrany ity renim-pianakaviana niharan’ny fanendahana ity. Raikitra teo ny fifanenjehana satria nifanome tanana avokoa ny olona teo amin’ny manodidina. Tratran’ny olona teo amin’ny rond-point Paraky izy. Niharan’ny fitsaram-bahoaka ity jiolahy ity. Nentin-katezerana ireo olona ka samy nitsaingoka taminy. Fotoana fohy taorian’izay, tonga ny polisy nisambotra azy ka voasoroka ihany ny fikasan’ireo olona nikasa hamono azy. Hita tany aminy nandritra ny fisavana ny antsy maranitra fampiasany rehefa manao ny asa ratsiny. Nentina nanaovana fanadihadiana teny amin’ny biraon’ny polisy izy.
Jiolahy iray hafa koa saika matin’ny olona teny an-tsenan’i Mahamasina, ny alakamisy teo. Nangalatra kojakojan-tokantrano izy. Nangalatra vilany tao an-tsena ka noraisim-potsiny. Tsy nanaiky ny olona fa nikasa hamono azy. Voasoroka mialoha ihany anefa izany satria tonga ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy (CSP5) naka azy.
J.C